- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Mpidoroka rongony mahery vaika, nahatratrana basy sy grenady

Ampitatafika : Mpidoroka rongony mahery vaika, nahatratrana basy sy grenady

Lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, teny amin’iny faritra Faliarivo Ampitatafika iny, ny voalohan’ny volana teo. Tsy vitan’ny efa mpidoroka raindahiny anefa ry zalahy ireto, araka ny voalazan’ny pôlisy fa mbola nahitàna fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy, « chargeur » ary grenady ihany koa tao amin’izy ireo. Fitaovam-piadiana tsy fantatra hoe ho atao inona ?

Jiolahy raindahiny ? Ny alakamisy teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary tapaky ny mpitsara mpanao famotorana taorian’ny fihenoana azy ireo tamin’izany fa hadoboka am-ponja vonjimaika ry zalahy. Ary navantana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy avy hatrany izy roa lahy ireto. Ny polisy kosa etsy andanin’izay dia nilaza fa tsy nijanona hatreo amin’ny resaka rongony mahery vaika ny fanadihadiana hatreto fa mbola mitohy any amin’ity fahatratrarana fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Saika hatao inona sa saika hanafihana an’iza ?

Raha tsiahivina ny zava-niseho : nisy nampandre ny pôlisy fa misy olona mitana sy mihinana rongony mahery vaika eny an-toerana : faritra Faliarivo Ampitatafika. Tonga teny an-toerana avy hatrany teo anivon’ny pôlisin’ny Stup, nanamarina ny vaovao. Nisy tokoa ilay tranga ary napetraka ny paikady rehetra hisamborana an’ity mpidoroka ity. Ny 01 jolay teo no tra-tehaka ranamana ary rehefa natao ny fisavàna ny tranony dia mbola nahitàna fitaovana fidorohana tao aminy, niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina : rongony maina sy « metamphetamine », raha ny vaovao hatrany. Tsy vitan’ireo anefa fa nisy fitaovam-piadiana tsy fatam-piaviana sy tsy nisy taratasy ihany koa tao an-tranony : basy poleta niaraka tamin’ny grenady. Nentina natao famotorana avy hatrany ingahy. Nanoro ny namany izy tao anatin’izay ary voasambotra ihany koa ity farany. Tany an-tranon’ity lehilahy faharoa ity dia mbola nahitàna fitaovana fidorohana sy « chargeur » ana basy poleta ihany koa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici