Mitohy hatrany ity fahapozinana ara-tsakafo noho ny fampiasana zavatra mamoaha-fady amin’ny sakafo hohanina ity hatramin’izao. Teto dia heverina ny resaka menaka no mety olona satria ovy nendisina tao an-trano sy “compose” namidy no nohanin’ireto olona fito avy amin’ny fianakaviana iray ihany, ka nahavoa fahapozinana ara-tsakafo azy ireo. Faninana, nivalana, nandoha…no nahazo azy ireo taorian’ny fihinana ireo ovy nendasina sy “compose” tao an-tranony ihany. Efa ny zoma alina no nohanina ilay sakafo ny sabotsy vao nitranga ny soritr’aretina, ary efa nentina tobim-pahasalamana ary nahazo ny fanafody nifandraika tamin’izany. Efa salama aloha ireto tratran’ny fahapozinana ara-tsakafo ireto ankehitriny, izay olon-dehibe ny enina raha zaza kosa ny iray. Nilaza ireo mpitsabo teo anivon’ny vonjy taitra ny hopitaly be nandray azy ireto, fa mila mitandrina amin’ny zavatra hanina sy ampiasaina ny olona, fa zavatra kely fotsiny dia mety mahavoa fahapozinana ara-tsakafo. Ny resaka menaka aloha teto no mety olona hoy ireto voan’izany, satria tsy sakafo hafa nohanin’izy ireo afa-tsy io ovy nendasina sy “composé” io. Mila mitandrina amin’ny menaka ampiasaina izany ny olona eto Toamasina hoy ny mpitsabo hisorohana ny tranga toy izao.
Malala Didier