- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilRégionsMananara avaratra mpanao « cash point » voatafika : Naratra mafy tamin’ny lohany ilay...

Mananara avaratra mpanao « cash point » voatafika : Naratra mafy tamin’ny lohany ilay mpikirakira vola…

ilay olona voatafika tao Mananara avaratra ny week end teo.

Efa mihitatra mianavaratry Toamasina indray izao ny fanafihana mpitam-piadiana amin’ny vaky trano ity amin’izao fotoana izao. Tovolahy iray mpanao ireny “cash point” ireny no voatafika tao an-tranony ny sabotsy maraina be tao tao Mananara avaratra. Voatery nentina aty Toamasina ny tenany vokatry ny tsy fahatsiaron-tena aminy hatramin’izao ka ao amin’ny hopitaly marnaram-penitra Morafeno ny nampidirana azy. Tena voa mafy ity tovolahy ity nanaovan’ireo jiolahy nandrava azy ny sabotsy maraina be io ka mbola tsy mahatsiaro tena hatreto. Mila rà maika tsy mifidy ankehitriny ny tenany ahafahana manao ny fandidiana azy hoy ny mpitsabo. Efa tonga eny amin’ireo mpitandro filaminana ao Mananara avaratra ny raharaha amin’izao, ka manao fikarohana ny nahavanona ny heloka izy ireo ankehitriny. Araka ny vaovao voaray dia tsy mponina ao an-toerana ireto jiolahy nanao ny asa ratsiny ireto fa olona mandalo ao fotsiny ary efa mpanao “operation” tahaka izao isaky ny mandalo. Andrasana izay valin’izany fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana izany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici