- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilRégionsFitsarana Toamasina voalohany : Namory ireo OPJ rehetra ny tonia mpampanoa lalana

Fitsarana Toamasina voalohany : Namory ireo OPJ rehetra ny tonia mpampanoa lalana

Tahaky ny isan-taona dia mampiantso ireo rafitra mandrafitra ny OPJ, “sampana mpanao fanadidiana eo anivon’ny fitandroana ny filaminana” nahitana ny polisy sy ny zandary ary ny eo anivon’ny ladoany, ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina. Mandritra izany no hametrahan hafatra amin’ny politikam-pitsarana tia hapetraka eto Toamasina, ka tokony arahan’ireto OPJ ireto. Ny tena voaraseka mazana dia ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny politikam-pitsarana mifandraika amin’izany; toy ny resaka vaky trano sy ny fanafihan-jiolahy ary ny resaka zava-mahadomelina samy hafa… ; fa tamin’ity fihaonana natao tamin’ireo OPJ Toamasina ireto tamin’ity taona ity, dia ny fijerana manokana ny fahapozinana ara-tsakafo mironga be ankehitriny. Satria nambaran’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina dia ilaina ny fanaraha-maso sy ny fitandremana ary ny fanaraha-maso ny zavatra hohanina mba tsy hireka ireny aretina amin’ny fahapozinana ara-tsakafo iray miteraka fahafatesana ireny. Saingy ny teto Toamasina aloha raha teo ny tranga fahapozinana ara-tsakafo mbola tsy namono olona izany, ary ireo narary rehetra nahazo ny fitsaboana mamaim-poana avy amin’ny fanjakana avokoa. Eo amin’ny filaminana amin’ny ankapobeny kosa dia voalaza fa efa misy ny ezaka saingy tokony hamafisina sy tsy tokony hajanona ny ezaka efa vita, mba hamerenana an’I Toamasina ao anatin’ny filaminana hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalana eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Vahiny Yvi Sandro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici