Voaheloka higadra mandra-pahafaty i Nono, ilay tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana an’i Emma Jeannine. Naharitra adim-pamantaranandro fito be izao ny raharaham-pitsaràna ady heloka tsotra tao Toaamasina ny 1 jolay teo. Niaiky ny famonoana ho faty tamin’ny fomba feno habibiana izy. Fa niaiky koa fa nisy naniraka azy hanao izany ary dia tsy niala tamin’ny anadahin’ilay ramatoa izy. Rehefa nivoaka anefa ny didy dia izy irery no tratra farany fa ireo niaraka voarohirohy taminy dia tao afaka madiodio (ny mpiambina ilay ramatoa) ary tao koa ny afaka noho ny fisalasana dia i Jasmin (anadahiny) sy i Jorckael. Avy hatrany dia niteraka resabe ity didy ity ary nahoraka tao Vatomandry (sady fonenanna no fiavian’ilay ramatoa 62 taona novonoina ny febroary 2024) sy Toamasina (toerana nitsaràna ny raharaha). Raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Emma Jeannine, ramatoa 62 taona tao Vatomandry, ny 4 febroary 2024. Na ny solon-tenan’ny fampanoavana aza dia nanao fanoherana ny didy ary misy fiakarana eo anivon’ny fitsaràna ambony araka izany ny raharaha. Mbola mijanona am-ponjan’Ambalatavoahangy avokoa araka izany ireo voakasika rehetra mandra-pivoakan’ny didin’ny fitsaràna ambony na koa raha toa ka mety mbola hiakatra eo anivon’ny fitsaràna an-tampony ny raharaha. Ny volana oktobra 2024 dia efa niteraka resabe ny fahazoan’i Jasmin fahafahana vonjimaika ary toa manampy trotraka ny ahiahin’ny olona ny nahazoany ity fahafahana noho ny fisalasalàna ity rehefa nivoaka ny didy. Mendrika ny hanokafana fanadihadiana lalina ny momba ity didim-pitsarana ady heloka tsotra ity raha ny fanazavan’ny mpanaraka akaiky ny raharaha, isan’izany ny firaisamonim-pirenena.
D.R
Commenter :mahagaga mints,ny fotsy mivadika mainty,