Miainga amin’ny fifidianana ny fametrahana ny fototra, no tsy tokony hiady an-trano mba hahafahana manatsara ny antoko politika TGV aty Betsiboka. Tsy tokony hifanilika amin’ny fototra iangana ny mpikambana rehetra satria samy te handray andraikitra sy anjara izy ireo, raha ny fanazavana nataon-dRtoa Rahantanirina Lalao, » Coordinatrice provincial TGV. Ny marainan’ny alatsinainy faha-07 jolay taona 2025 teo moa no notanterahina ny fikaonandoham-paritra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny antoko politika TGV aty amin’ny faritra Betsiboka. « Carnaval » namakivavaky ny tanàna sy ny dinidinika ambany tafon-trano tao amin’ny Espace Tiana Royal no nanamarihana ny lanonana rehetra.
Ratantely