- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Mpanangom-bokatra voatafika

Imerintsiatosika : Mpanangom-bokatra voatafika

Tamim-pitaka tanteraka no nahafahan’ireo olon-dratsy niditra tao an-tranon’ity mpandraharaha, mpanangom-bokatra iray tao Imerintsiatosika ity sy nanafihan’izy ireo azy, andro vitsy lasa izay.  Raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana dia mody nila vonjy sy nitady asa tao amin’ity tokatrano ity izy efa-dahy. Mazava ho azy, tsy nisalasala ilay tompon-trano nampahandro sakafo azy ireo ary nampandroso tao an-trano. Kanjo vantany vao tafiditra izy ireo, avy hatrany dia niezaka nidaroka ilay mpandraharaha. Na dia be no vitsy aza anefa dia niezaka nanohitra hatrany ilay tompon-trano ary afaka nitsoaka nony avy eo, na dia naratra aza, hoy ny vaovao, ary afaka niantso vonjy tamin’ny mpitandro filaminana taorian’izay. Vaky nandositra toy ny tsy teo ireo olon-dratsy rehefa hitan’izy ireo fa niantso zandary ny tompon-trano, tsy nahazo sy nahatondra na inona na inona. Ny tsy fantatr’ireo olon-dratsy anefa, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny zandary dia fantatr’ilay mpandraharaha tsara izy efa-dahy ireto, noho ity farany mifanerasera amin’ny olona amin’ny asany. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana azy ireo zandary ary tsy ela dia voasambotra tao Mahalavolona, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy ny iray ary nanao tohivaka taty aoriana ny telo hafa. Efa-dahy izy ireo no tompon’antoka ary efa samy tapitra voasambotra avokoa. Nahatratrarana basy lava vita gasy ihany koa tany amin’ireo olon-dratsy ireto, raha ny fanazavana azo hatrany. Basy izay nezahin’izy ireo nafenina niaraka tamin’ny bala calibre 12 maromaro, tanaty bozaka tsy lavitry ny trano nisamborana azy ireo. Marihana fa 19 taona no zandriny indrindra ary 38 taona no zokiny indrindra tamin’ireto mpanafika voasambotra ireto. Izy ireo izay mbola notanana natao andrimaso miatrika ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana, ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy, hoy hatrany ireo zandary

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Commenter :ka midadasika loatra wa le meritsiatosika nefa le gendarme ao tena vitsy keli,fa isaorana ianareo miasa tsara,d mba mangataka ny ben’ny tanana mba hijery any andrefana any,fonenana,andranomasimbato,sns iny fa tokony hisy tanana vao2 ao fa noho ny tsy fandripahalemana sy halabotry d bdb ny trano vao ahorina ao nefa ts milam le tanana,sad ratsy lalana an,nefa toa we avy any ny ben’ny tanana meritsega,?Mba mangataka mr le mera mba jereo manokana zay,fonenana mitsofoka @jesosy mamonjy iny,

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici