- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTonia mpampanoa lalàn’ny fitsarana TPI Toamasina : Miverina ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana eto...

Tonia mpampanoa lalàn’ny fitsarana TPI Toamasina : Miverina ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana eto Toamasina

Nandritra ny famorian’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Vahiny Yve Sandro, dia nametraka hafatra mafonja tamin’ireo OPJ, na “Officier Police Judiciaire”, teo anivon’ny polisy  – zandary – miaramila – sampandraharaha ny varotra sy ny indostria – fadintseranana – sampandraharaha ny rano sy ny ala. Izay natao tao amin’ny efitranom-pitsarana eto Toamasina. Samy nahazo ny hafatra ho azy avokoa ireo sampandraharaha miara-dia ao anatin’ny “officier police judiciaire”.

Ho an’ny teo anivon’ny mpisahana ny filaminam-bahoaka, misy ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, dia nambaran’ny tonia mpampanoa lalana fa mila manao hetsika manaraka indray izy ireo, fa mitady hiverina eto Toamasina ny fanafihana mitam-piadiana. Isan’ireny araka ny nambaran’ny Atoa Vahiny Yve Sandro ny tranga na fanafihana vahiny natao na andian-jiolahy enina tao tahitikely, nefa tsy nahenoana tatitra ireo polisy sy ny zandary mikasika izany. Soa fa nandray anjara tamin’ny fikarakarana ilay vahiny ny masohivony eto Toamasina, izay nanamora fahazoana fiaramanidina nitsaboana ilay teratany vahiny tany ivelany. Teo koa ny tranga telo taorian’izany tahaka ilay tao Andranomadio nahalasanana vola 52 tapitrisa ariary tao an-tranon’ambony. Mila tazonina foana ny hafatra ny praiministra teto Toamasina, nanditra ny fivoriana natao mikasika ity asan-jiolahy ity hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

Ankoatra izany, mila miezaka ihany koa ireo OPJ ny sampandraharaha ny talem-paritry ny varotra sy ny indostria eto Toamasina mikasika ity fahapozinana ara-tsakafo lava ity, na mbola tsy nisy matin’izany aza ny tranga teto Toamasina. tokony ampitomboina koa ny fisavana ireo entana efa simba sy lany daty eto Toamasina hisorohana ny tranga na fahapozinana ara-tsakafo lava ity hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna. Araka ny fanazavana anefa dia mitaraina ireo mpanafatra ireo entana ireo fa  5 tapitrisa Ariary isam-bolana ny hofan’ny magazay amin’izy ireo, ka tokony ireo entana hita fa simba sy lany daty no tokony esorina miala ny magazay mba tsy ampihitatra izany amin’ireo entana hafa. Mavesatra ho an’ireo mpanafatra entana izany ka tokony hojerana ihany koa mba isorohana ireo entana simba sy lany daty tonga eto amintsika.

Ankoatra izany dia nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana amboniny ny fitsarana ady heloka bevava, mikasika ireo zandary sy miaramila ary ireo namany votsotra teo amin’ny fitsarana araka ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana amabony Toamasina. Vokatra izany dia ny andro namoahana ny didy ihany dia nanao fanohanana ny didy nivoaka ny tonia ny mpampanoa lalàna ambony, ary nandefa taratasy teny amin’ny zandary sy ny miaramila hamerina am-ponja ireo zandary sy miaramila voarohirohy tamin’ilay asan-jiolahy nahavoasaringotra azy ireo. Nanome baiko ny polisy koa ny tonia mpampanoa lalana ny hisamborana an’ireo sivily voarohirohy tao anatin’izany. Mila ambara koa ny olona nahatonga ireo porofo rehetra tsy tonga teny amin’ny fitsarana mikasika ny raharaha, ka nanamora ny mpisolovavan’ireto voampanga nanamora ny fiarovan-tena nataony ho an’ireto voarohirohy. Ho hita anefa ny vokatry ny fanohanana natao ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici