Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalana Digue Ambohitrimanjaka, ny alarobia hariva teo. Fiara 4×4 iray no nandona moto scooter nitondra olona roa tamin’izany. Voalaza fa moto teo alohan’ny taxi be iray no voafokan’ilay 4*4 ka lasa tanaty rano. Izany hoe nahazo ilay lalana mahitsy ilay fiara tsy mataho-dalana ka nisongona Ilay fiara mpitatitra. Iny avy nisongona iny Ilay 4×4 no nandona Ilay moto teo aloha. Nipitika mihitsy ilay moto sy ireo olona teo amboniny, ary nifatratra tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy nisy aina nahafoy fa ilay nitondra moto no naratra teo amin’ny lohany. Ilay vehivavy nentiny kosa voadona tamin’ny tongony. Nentina tany amin’ny hopitaly avokoa ireo olona efatra. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Misy milaza fa mamo ireo tovolahy roa tao anaty 4×4. Misokatra ny fanadihadiana.
Yv Sam