- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Ramatoa mpisoloky nikoizana, nadoboka am-ponja

Sabotsy Namehana : Ramatoa mpisoloky nikoizana, nadoboka am-ponja

Fitoriana manodidina ny 23 isa teo no efa voapetraka teny anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity ramatoa ity. Izy ilay ramatoa nalaza tampoka tao anaty tambajotra sosialy, voalaza fa very vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary tany ho any, izay nambarany fa nangalarin’ny « taxi-moto ». Voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana indray ny anao  vavy ny voalohandohan’ny volana teo ary natolotra ny Fampanoavana. Nadoboka am-ponja vonjimaika, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Raha tsiahivina dia fandikan-dalana maromaro no nitarika izao fisamborana azy izao, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Anisan’izany, ny fisolokiana, fanendahana anaty fiara, halatra, fivadiham-pitokisana, tsy fandoavana sakafo nohanina, fitsoahana saran-dalana… Nisy fotoana nilaza fa mahay mitaiza olona ka manery ireo olona tonga ao aminy handoa vola be aloha. Raha ny mikasika ilay tranga niseho tetsy Ambodivona, nalaza teo amin’ny tambajotra sosialy iny dia nibaboka ramatoa fa tsy misy akory ilay vola 20 tapitrisa Ariary very. Tsy marina ihany koa araka izany ilay hoe voendakan’ilay mpitondra taxi-moto. Raha ny nambarany dia paikady nentina nitsoahana sy handavàna ireo olona manambola aminy fotsiny izy iny. Ary tsy vao tamin’io fotoana io ihany ny anao vavy  no nanao izany fomba ratsy izany fa efa nisy talohan’izay.  Mazava ho azy, tsy maintsy misy farany ny ratsy atao ka io voasambotry ny zandary ramatoa ary dia izao nadoboka am-ponja izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici