- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversJeneraly sandoka : Nanapoaka Ar 72 tapitrisa dia nitsoaka faritra

Jeneraly sandoka : Nanapoaka Ar 72 tapitrisa dia nitsoaka faritra

Ny havany ihany no nosolokiany. Raha ny fahafantaran’ny olona azy hatrizay dia miaramila izy ary dia tena manao ny fiakanjo sy ny bikabikany tanteraka. Eto amin’ny firenena anjakan’ny kolikoly dia mora hoazy ny mamintàna ireo mitady vahaolana. Milaza ho mahavita taratasy, milaza ho mahatafiditra olona hiasa ary koa fandresen-dahatra hafa. Tamin’ity indray mitoraka ity dia havany, izay voalaza fa havana lavitra no voafitaka. Nangalany vola tsikelikely ary nitotaly 72 tapitrisa Ariary izany ny niafarany. Efa hatramin’ny volana aogositra 2024 no nanomboka nokarohina izy noho ny fisandohana andraikitra sy fisolokiana. Teny Tsarahonenana ny trano fonenany saingy rehefa azony ny vola dia nitsoaka tany Fianarantsoa izy, ny marimarina kokoa tao Alakamisy Ambohimaha. Niafina tao nandritry ny vola maromaro. Herintaona aty aoriana, lany angamba ny vatsy ary dia nivoaka ny lavaka indray handeha hihaza olon-kafa hosolokiana. Tao an-toerana izy no voasambotra raha taty an-drenivohitra no isan’ny tena nikarohana azy mafy. Mizaka vesatra roa ara-pitsaràna roa arak’izany ity manamboninahitra ambony sandoka ity dia ny fisolokiana sy ny fisandohana andraikitra. Miroborobo ny asa fisolokiana ankehitriny ary saika feno ny sarin’ireo olona karohina noho ny fanaovana an’izany ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary koa ny tambajotra sosialy. Mila mailo hatrany raha vao resa-bola ankehitriny. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici