- Publicité -
jeudi, septembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazoma-Maevatanàna : Doro trano maro ataon’olona tsy fantatra

Mahazoma-Maevatanàna : Doro trano maro ataon’olona tsy fantatra

Fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana, hataon’olona tsy fantatra any an-toerana. Tao anatin’ny iray volana mahery lasa nisehoan’ny fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana dia nahazo vahana ity tranga ity, tao an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny Alakamisy hifoha zoma faha-11 jolay taona 2025, tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nahitana toeram-pivarotana fotsim-bary iray nisy nandoro, tao amin’ny vakim-paritra Morafeno, fokontany sy kaominina ao ihany. Rehefa nahita lelan’afo nirehetra minitra maromaro ny teo amin’ny manodidina dia niara-nisalahy namono ny afo, tsy hitatra. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina any an-toerana manoloana ny fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana, hataon’olona tsy fantatra.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici