- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoma-Maevatanàna : Doro trano maro ataon’olona tsy fantatra

Mahazoma-Maevatanàna : Doro trano maro ataon’olona tsy fantatra

Fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana, hataon’olona tsy fantatra any an-toerana. Tao anatin’ny iray volana mahery lasa nisehoan’ny fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana dia nahazo vahana ity tranga ity, tao an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny Alakamisy hifoha zoma faha-11 jolay taona 2025, tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nahitana toeram-pivarotana fotsim-bary iray nisy nandoro, tao amin’ny vakim-paritra Morafeno, fokontany sy kaominina ao ihany. Rehefa nahita lelan’afo nirehetra minitra maromaro ny teo amin’ny manodidina dia niara-nisalahy namono ny afo, tsy hitatra. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina any an-toerana manoloana ny fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana, hataon’olona tsy fantatra.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici