- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnjahabe/Maevatanàna : Ramatoa sy ny zanany efatra notifirin’ny dahalo

Anjahabe/Maevatanàna : Ramatoa sy ny zanany efatra notifirin’ny dahalo

Ary Zandary iray naratra nandritra ny fifampitifirana. Nanakohako teny an-tsaha, tao amin’ny toerana atao hoe: Anjahabe, fokontan’Anjiakely andrefana, kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny fanafihan-dahalo mitam-piadiana, izay nahafaty voatifitra an’ilay Renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa dahalo tsy voafaritr’isa no tonga dia niditra am-boletra, tao amin’ny toerana voalaza etsy aloha ny Asabotsy faha 12 Jolay taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Rehefa naheno ny feom-basy nipoaka, ilay Renim-pianakaviana iray dia nitondra ny zanany efatra taona nitsoaka, avy amin’ny trano tafo-mololo, saingy tsy nisy halaharo tamin’ny tifi-basy, ireo tsy mataho-tody raha nahatazana azy mianaka, ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra ireto farany. Taorian’izay dia nitondra ny omby niisa efapolo ny dahalo no raikitra ny fanarahan-dia rehefa nahazo antso an-taribia ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy. Tsy lasa lavitra ireo dahalo dia nifanehitra ny telo tonta: Zandary, vatan-dehilahy, malaso. Vokany: votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny omby niisa telopolo, ary Zandary iray naratra voatifitra teo amin’ny kibony, tanany, tongony nandritra ny fifandonana in-droa nisesy. Mitohy hatrany ny fanarahan-dia hataon’ny mpitandro ny filaminana hoan’ireo dahalo nitondra omby ambiny niisa folo, amin’izao fotoana hanoratanay ny lahatsoratra an-gazety izao. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa ahitana olona maromaro miambina fambolena miaraka amin’ny omby fiompy ny eny Ambaiboho/Anjahabe.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici