
Ny sabotsy vao maraim-be, tamin’ny 03 ora maraina, tokantrano iray no nidiran’ny andian-jiolahy efatra tao anatin’nyfahatahapahan-jiro iny indrindra. Noho ny haizina dia « lampe de poche » no nampiasan’ireo jiolahy naka sy nananganona ireo zavatra tao an-tranon’ireto olona ireto, satria tsy niala tao izy ireo raha tsy efa niverina ny jiro teto Toamasina. Nandritra izay fakana ireo fananana tiany rehetra tao an-trano izay, noteteziny mihintsy, dia nampiasa « matrax » ireto jiolahy ankoatra nyfitaovam-piadiana nentiny. Samy voadaroka avokoa ireo tao an-trano nitadiavan’izy ireo ireo zavatrano tadiaviny, indrindra fa tamin’ny fitakian’izy ireo ny famoahana ny vola rehetra misy tao anatin’ilay trano. Tonga tamin’ny filazan’ireto jiolahy ho « raha tsy hamoaka vola misimisy ianareo dia aolanay ianao reniny, na io zanakao vavy io no aloanay eo imasonao », zazavavy vao 16 taona. Namaly ilay reny hoe « aleo izaho no aolanareo, toy izay ny zanako », sady noesoriny ny lambany ary niandry ireo jiolahy tany amin’ny trano fandraisam-bahiny izy. Mety nisy nalahelo ihany ireto jiolahy nahita ilay ramatoa maratra ka tsy nanolana ilay ramatoa efa lehibe ihany sady tsy namono ihany koa. lasa moa ireto jiolahy raha nahazo ny vola sy nyvolafotsy tao an-trano, ary ireo finday fampiasan’izy ireo, niaraka tamin’ny « chargeur ». Raha ny vaovao voaray koa dia mafy ny fiarovana ilay trano. Eo ny « barbelé » samy hafa, saingy afak’ireto jiolahy ihany. Miantso vonjy noho izany ny olona mipetraka amin’iny Ankirihiry avaratra iny, amin’ireo mpitandro ny filaminana, fa miova ny filaminan’ny tananan’izy ireo ankehitriny, ka matahotra izy ireo amin’ny ho avy sy ny hiveren’ireo jiolahy ihany koa.
Malala Didier