- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Antanambao/Maevatanàna : May Kila forehitra ireo tranom-barotra tao amin'ny " Gare...

Betsiboka : Antanambao/Maevatanàna : May Kila forehitra ireo tranom-barotra tao amin’ny  » Gare Routière

Entana maro no simba tao amin’ireo tranom-barotra maromaro, tao amin’ny toby fiantsoana fiara taksiborosy rezionaly sy nasionaly na  » Gare Routière,  » eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, tao amin’ny fokontan’Antanambao ny alin’ny alahady 13 Jolay 2025 teo iny, tokony tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Naharitra ora telo ny firehetan’ny afo tao amin’io toerana voalaza etsy aloha io, fa mba tsy nisy kosa ny aina nafoy nandritra izany. Noho ny tsy fisian’ny fiara mpamonjy voina mandeha sy rano tapatapaka lava dia sarotra ny fehezana ny afo teto. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa mbola tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza sy ny teti-bidin’ireo entana may kilaforehatra, fa efa eo am-panaovana ny fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici