- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversLalana Tanambao Verrerie Toamasina : Mila fanamboarana fa efa potika loatra

Lalana Tanambao Verrerie Toamasina : Mila fanamboarana fa efa potika loatra

Mitaraina amin’ny tompon’andraikitry ny tanaan sy eto Toamasina ireo mponina manodidia ny lalana Tanambao Verrerie mihazo ny tobin’ny FIP eto Toamasina iny, fa tena efa ratsy an-taonany maro ny lalana mihazo ny misy azy ireo, nefa tsy misy fijenerana mihintsy hatramin’izao. Maro ihany ny fanamboaran-dalana natao teto Toamasina, fa tsy mety tafiditra ao anatin’izany ity lalana Tanambao Verrerie mihazo ny FIP ity hatreto. Voalazan’ireo mponina anefa fa maro ny orinasa amin’ny faritra iny, raha tsy ilaza ny foiben’ny jirama sy magazay mpanondrana letchis, nefa lalana be lavadavaka sy be lava be no andehan’ireo fiara. Raha ny fitateraka Tuc-Tuc aloha tsy mandeha makany mihintsy noho ireo lavaka, raha misy ilay ny polisy ny FIP sy ireo orinasa manodidina. Ity lalana ity koa anefa isan’ny lalana mampitohy ny tananan’ny Toamasina renivohitra amin’ny tsarakofafa sy tsararivotra Toamasina suburbaine. Nambaran’ny mponina mipetraka eny fa efa maro ny fitarainana nataon’izy ireo na mivantana na tamin’ny tambanjotran-tserasera mikasika azy ity, saingy mbola ts namaly hatramin’izao. miteraka fampandrosoana anefa ilay lalana raha vita tsy misy lavaka, satria voalaza fa maro ireo orinasa isany mampidim-bola eto amin’ny firenena misy eny an-toerana. Miandry noho izany ireo vahoaka mipetraka eny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici