
Toy ny fanaony isaky ny telo taona dia fantatra izao fa i Toamasina no handray ny zaikabe nasionalin’ny Fikamabanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny Polisy Vavy (FIVAPOVA) izay hotanterahina ny 30 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao. Teny aina entina miatrika an’ity Zaikabe 2025 ity ny hoe « Viavy miray hina rô, iray vina e ! ». Hetsika maro no efa nataon’ny FIVAPOVA hatramin’izay mba ho fitsinjovana ny maha olona, fampitomboana ny firaisan-kina, fampivoarana ireo mpikambana, ary indrindra fanohanana ny asa maha polisy. Maro ny hetsika hatao mandritra io efatra andro io, ka isan’izany ny “carnaval” mialoha ny lanonam-panokafana, ny fifaninanana vakodrazana andraisana anjara ho an’ireo isam-paritra, ny fampisehoana ara-pilazantsara izay anisan’ny hampiavaka ity andiany faha 4 ity, ny valandresaka mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana, fifaninanana ara-panatanjahatena, fifaninanana Miss, fivoriam-be handraisan’ny rehetra anjara, fitsangantsanganana sy nofon-kena mitam-pihavanana. Hisy ihany koa ny « clinique mobile » ahafahana manao fizaham-pahasalamana amin’io fotoana io. Efa mipetrapetra ka avokoa ny fanomanana ity zaikabe ary mandary an-tanana izany ireo vaomiera rehetra eo anivon’ny komity manomana. Nisy moa ny fihaonanan’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny fikambanana tamin’ny mpanao gazety izay notarihin’ny Filoham-boninahitra Nasionaly, Ramatoa Faniry Rakotoarimanana, vadin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka ; sy ny Filoha Nasionaly, Ramatoa Malala Priscilla Randrianirina Tombosoa teny Anosy.
T.M.