Naharitra teo amin’ny antsasakadiny teo ho eo ny fifampitifitirana teo amin’ny roa tonta. Nitatatata ny basy, tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo, ny andron’ny talata lasa, teo amin’ny kizon’Antapia, kaomini na Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Andaniny : dahalo manodidina ny fololahy teo, mirongo basim-borona. Ankilany, ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy mpanara-dia. Teo am-povoany, omby maromaro vao norobain’ireo olon-dratsy tao amin’ny kaominina Miandrarivo. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata dia nisy andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana, basy sy zava-maranitra, niditra an-keriny tao amin’ny tananan’Antsirasira, fokontany Sarotravoaka, kaominina Miandrarivo. Valan’ombin’olona iray tao an-toerana no nataon’ireo olon-dratsy ireto lasibatra ary lasa avokoa ny omby rehetra. Mazava ho azy fa tsy nisy sahy nivoaka ny mponina raha tsy lasa ireo olon-dratsy nitondra ny omby, nizotra nianatsimo, nihazo an’Ambalavatokely na Mazamiepo, any amin’iny kaominina Bemahatazana iny. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary, izay avy hatrany dia nandray fepetra, hanetsika ireo tobin’ny zandary sy miaramila manodidina, hisakana ireo kizo na lalana mety handalovan’ireo olon-dratsy mitondra ireo omby halatra ireo, tamin’iny alina iny ihany. Io atoandro tokony no nifanena ny roa tonta, izay avy amin’ireo ekipa nahetsika ka izao niafara tamin’ny fifandonana izao. Rehefa hitan’ireo olon-dratsy fa tsy voatohitra ireto mpanara-dia, efa nisy mpitandro filaminana hafa niaraka tamin’ny vatan-dehilahy ihany mantsy, tonga nanampy ireto ekipa nifanena tamin’ireo dahalo ireo, dia nanao tari-dositra nitsoaka izy ireo, namela ireo hazany. Nangonina avokoa moa ireo omby azo teny am-pelan-tanan’ireo dahalo. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto olon-dratsy. Nanome baiko moa ny tompon’andraikitra any an-toerana, hanaovana hazalambo ireto dahalo ireto fa indrindra ireo mety ho voarohirohy sy mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ao Bemahatazana ary hanamafisana ny fisorohana.
m.L