Nivoaka rà ny lohany, kiaka ny tanany ary nisy voatsatoka teo amin’ny kibony. Niankohoka tamin’ny tany ilay vatana ary dia nijininika ny rà. Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray eo amin’ny 35 taona. Nitrangan’ny fahafoizana ain’olona ny teny amin’ny Boulevard Jean Ralaimongo, mifanila indrindra amin’ny EPP Todivelona Raphael Toamasina. Omaly tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro no nisehoan’izany tao amin’ny renivohitry ny faraitra Atsinanana. Tamin’ny fotoana hamonjen’ny olona ny asa aman-draharaha ity nitrangan’ny loza ity. Araka ny nambaran’ireo teny an-toerana dia nisongona posy bisikeleta ity lehilahy nitondra bisikileta tsotra ity. Andiany maromaro ireo nosongonany, kanjo nihoatra azy ireo avy aty aoriana ny fiara vaventy mitarika remorque. Nihevitra angamba ilay mpitondra bisikileta fa tapitra ity fiara be ity, kinanjo mbola nisy nanaraka ny ampahan’ny fiara tao afara. Somary naka afovoan’ny arabe mantsy izy ka tamin’io no nahavoasaringotra azy. Tsy nahitana dian’ny kodiarana rahateo teo amin’ny vata mangatsiakany. Voatazona eny amin’ny mpitandro ny filaminana amin’izao ilay fiaravaventy. Ny mahazendana mantsy dia toa tsy misy miraharaha intsony ny lalàna tsy ahazoan’ny fiaravaventy mampiasa ny lalana amin’ny fotoana mahamaro ireo sarambabembahoaka mampiasa ny lalana. Fotoana rahateo ihany koa handehanan’ireo mpandrindra ny fifamoivozana misintaka kely ihany ny fotoana nitrangan’ity loza ity. Etsy andaniny dia saika tsy misy hisatra avokoa ireo bisikileta mifamoivoy ao Toamasina ao. Maro anefa no sahy mamakivaky ireo fitaovam-pitaterana hafa ary mifaninana mihitsy amin’ny hafainganam-pandeha. Mitombo isa hatrany anefa ireo fitaovam-pitaterana mampiasa ny lalana, ary samy manana ny hafainganam-pandehany. Azo ambara fa ny fifangaroan’ireo no mahatonga ireo loza ao Toamasina ao.
Jean – Claude STEVE