Olona nanasaraka ady no novonoiny ary niteraka fahafatesana izany. Efa voalevina ny zoma teo i Benjamina ary efa nametraka fitoriana ny fianakaviany ka niafara tamin’ny fisamborana ilay polisy. Notazomina tao amin’ny kaomisaria izy ary nanokafana fanadihadiana. Mody nitaraina te-hipipy anefa ary tamin’izay no nanararaotra nitsoaka. Efa tany Ambatofotsy tany vao voasambotra rehefa nokarohina mafy. Polisy tsimatimanota no hahafantaran’ny maro azy ity rehefa nandeha tamin’ny tambajotra sosialy ny raharaha. Betsaka no efa nitaraina tamin’ny nataony, indrindra ireo toeram-pisotroana, ny karaoké ary koa ny mpivarotra enta-madinika eny amin’ny manodidina ny fonenany. Hialàny avokoa ny volan’olona ary tsy vitan’izany fa miampy fampitahorana herisetra indraindray. Dia nilefitra ny olona saingy raha vao nipoaka ny raharaha dia nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa indray. Isan’izany ny bar eny Anosisoa sy Ambodimita ary koa ny épiceries sasany. Zava-pady ho an’ny mpitandro ny filaminana ity fihetsika nataon’ity polisy ity ary maniry ny fianakavian’ny maty sy ireo olona izay niharan’ny fanaparam-pahefana amin’ny fitsoaham-bola ny mba hampiharana ny lalàna. Vonoan’olona rahateo no vesatra hanenjehana azy ary eto izany dia mbola miampy fikasàna hitsoaka koa.
D.R