Efa akaiky ny farany hoy ireo mpitoriteny izay, raha ny zava-nisy tao amin’ny fokontanin’Antsampanana Brickaville no resahana. Saron’ny zandary terriroriale tao an-toerana mantsy rangahy mpisoloky ho zandary iray, mbola niaraka tamin’ny fanamiana hamitahany voahoaka. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary Brickaville dia avy eto Toamasina renivohitra ity lehilahy sarona nisoloky ity. Ny fomba ataony dia mandrahona olona ho gadraina ny tenany ka mila manome vola raha tsy te-hiditra am-ponja, ary fatorany amin’ny rojo vy mihitsy ilay olona rahonany. Vokatry ny tahotra amin’ny fampidirana am-ponja na tsy nisy aza ilay ratsy natao, dia lasa mitady vola sy manome tsy fidiny ny vola takian’ity mpisandoka. Raha ny fanazavana hatrany dia lasibatra hatramin’ireo fivarotana mihitsy ampiaran’izany fisandohany izany, ka izay tsy mandoa vola aminy dia voalaza fa ampidirana am-ponja. Vokatra io fisandohana io dia nandray andraikitra ny zandary noho ny fitarain’ireo olona tratran’izany fisandohana izany. Tsy niandry ela vokatra izany ny zandary tao Antsampanana hisian’ny fisandohana fanaon’ity rangahy ity, ka sarona ny zandary ilay lehilahy. “Namanao ny zandary” hoy ireto zandary satria “fake” ity zandary fa “tsy original” hoy izy ireo, ka tsy maintsy hizaka ny fomba ratsiny any am-ponja tsy ho ela amin’ny fiakarany fampanoavana eto Toamasina. Ankoatra izany dia sarona ihany koa ilay fanafihana nifanesy tao Antsampanana. Tao anatin’izany koa dia olona maromaro no azo sambo-belona nandritra izany raha olona iray no maty voatifitra ny zandary. Tranga telo no niseho tany an-toerana ka ny 28 mai – 16 jona – 03 jolay, ka tsy namelan’ireto zandary raha tsy azony satria efa vola 160 tapitrisa Ariary no voaroba nandritra ireo fanafihana telo ireo. Ny tena nanaitra tamin’ity tranga ity dia tany Tsiroanomadidy ny sarona ny efatra tamin’ireo andian-jiolahy ireto, izany hoe tsy olona monina tao an-toerana no nanao ilay fanafihana vola be ireo.
Malala Didier