
Hamafisina ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona. Io no fanapahan-kevitry ny Ben’ny tanàn’Ambohimalaza, Sedera Rakotoaritsifa rehefa avy nivory tamin’ny tompon’andraikitra maro, manoloana ny fahitàna faty nisesisesy tao an-toerana. Notsipihany manokana fa tany an-toeran-kafa no nisian’ny heloka bevava ary tao Ambohimalaza no nariana ny faty. « Tsy ekena raha lasa tanàna fanarian’ny olon-dratsy faty Ambohimalaza. Vokatr’izany dia maromaro ny fepetra noraisina », hoy hatrany ny fanazavany. Isan’ny tapaka ny fanomezana polisy monisipaly miisa 24 mba hanampy ny zandary amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona. Manomboka eto koa dia hisy ny fisavàna ireo izay ahiahiana. Kaominina lehibe Ambohimalaza ary tena milamina. Izany filaminana izany anefa no toa lasa nohararaotin’ny sasany hanariana faty . Tsy ary ho voaara-maso avokoa ny toerana rehetra saingy eto kosa dia hiara-hiasa avokoa hatrany amin’ny kartie mobile sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana, ny zandary sy ny polisy monisipaly amin’ny fanaraha-maso ny olona mivezivezy. Momba ny tranga fanapozinana tao amin’ny espace Valéria indray dia nanazava ny Ben’ny tanàna fa toerana ihany ny taty Ambohimalaza fa tsy mahafantatra ny votoatin’ny zava-misy. Mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra ihany dia tamin’ny tambajotra sosialy no nahita ny loza. Saingy izany rehetra izany no mitambatra, indrindra ny fisian’ny tranga izay mandoto ny anaran’ny tanàna no antony nandraisan’ny kaominina ireo fepetra rehetra amin’ny fanaraha-maso ny olona manomboka izao.
D.R