
Nafana ny dinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fifamoivoizana an-tanety, avy any Antananarivo sy ny Mahajanga, ireo tompon’andraikitra ny filaminana aty an-toerana, tao amin’ny efitranom-pivorian’ny prefekitiora ny harivan’ny talata faha 22 jolay taona 2025 teo iny. Tapaka nandritra izany fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra horaisina amin’ireo mpamily fiara taksiborosy tsy manaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, indrindra fa ireo manao « dona miverina, « eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ( RN4 ), ao anatin’izao vanim-potoana fialantsasatra lehibe izao. Vaolaza ihany koa tao anatin’ity dinidinika ambany taon-trano ity fa tsy azon’ireo mpamily fiara taksiborosy nasionaly atao ihany koa ny mameno sy mampiditra olona eny amin’ny tobin-tsolika Shell eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, fa tsy maintsy any amin’ny fokontanin’Antanambao, ao amin’ny « Gare Routière no hanaovana izany.
Ratantely