
Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizina nahafatesana olona maro tany Ankilizato. Fiara Mazda iray mampitohy an’i Mahabo sy Miandrivazo no tra-doza tany Beranomaso omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka fahefany teo ho eo. Vokany, olona fito no maty tsy tra-drano, ka zaza ny telo ary olon-dehibe ny efatra. Olona efatra hafa mbola miady aman’aina any amin’ny hopitaly, ary ireo ambiny kosa maratra mafy ary manaraka fitsaboana ao aminy CSBII Ankilizato. Tapaka tanteraka ny tongotr’ilay mpamily havia, raha ny fanazavana. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa tapaka hisatra ilay fiara ka antony nahatonga ny loza. Efa teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary manokatra fanadihadiana.
Yv Sam