
Vola sandoka 600.000 Ariary no sarona. Ny faran’ny herinandro lasa Téo, lehilahy iray no tonga tao amin’ny cash point iray tao Ambilobe fa hanao petra-bola amin’ny findainy. Rehefa vita ny fifanakalozana, dia tsikaritr’ilay mpiasa tao amin’ilay cash point fa vola sandoka avokoa no nampiasan’ilay lehilahy. Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay mpitantana cash point ka tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ary noraisim-potsiny ilay lehilahy. Vola sandoka 20 000 ariary miisa 30 no namitahany ilay mpanao cash point tamin’io. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Ambilobe izy nanaovana fanadihadiana ary natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo ka naiditra vonjimaika. Any amin’ny faritra sy toerana ambanivohitra ankoatra ny toerana be olona ary tsena no tena anaparitahan’ireo olon-dratsy vola sandoka. Maro ny efa tratra kanefa misy hatrany manao ity asa ratsy ity. Mampitandrina ny mpitandro filaminana mba samy ho mailo amin’ny vola eny an-tsena. Indrindra fa ny 20.000 Ariary izay maro mpanao sandoka. Azo atao ny mampandre ny mpitandro filaminana akaiky indrindra avy hatrany.
Yv Sam