Nihorohoro ny iray tanàna raha nahita sy nandre ny zava-nitranga. Telopolo lahy no indray nitety ireo toeram-pivarotana sy tokantrano miisa efatra, teo Ambatolampikely-Ambohimanarina. Tsy vitan’izany fa mbola nitam-basy ihany koa izy ireo. Toy ireny fanafihan-dahalo ireny mihitsy ny zava-nisy, hoy ny teo amin’ny manodidina. Fivarotana ambongadiny no voatafika voalohany ary teo am-piomanana hanidy tsena no tonga ireo olon-dratsy marobe. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny oram-be vokatry ny andro ratsy no nitranga. Toa izay toetr’andro izay mihitsy aza no nanamora ny fanafihana raha dinihina, satria sady efa tsy dia nisy olona nifamezivezy intsony no koa tsy nifandrenesana izay nitranga. Porofon’izany, mbola nahavita nitety ireo fivarotana sy trano teo amin’ny manodidina izy ireo vao niala. Samy nahazoan’ity andian-jiolahy misy telopolo olona ity avokoa izay nandalovany. Raha ny heno dia manodidina ny iray tapitrisa ariary ny kely indindra ary tonga hatrany amin’ny efatra tapitrisa ariary kosa ny avo indrindra tamin’ny vola lasa. Manginy fotsiny ny firavaka sarobidy sy ny finday isan-karazany izay tsy nisy namelan’ireo mpanafika. Tao anatin’izany dia nisy lehilahy iray niezaka ny niaro ny havany. Tsy nanan’ireo olon-dratsy antra izy fa avy hatrany dia notifirina tamin’ny basy. Teo amin’ny feny no niantefa ny bala. Rehefa nandeha ny fanadihadiana voalohany dia kalachnikov no nampiasain’ilay nitifitra. Mety manamarina an’izany rahateo ny filazan’ny vavolombelona fa basy lava no hitan’izy ireo nentin’ilay andian’olon-dratsy. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra ary nampandrenesina kosa ny mpitandro ny filaminana nony vao lasa ny mpanafika. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny ora-mikija avokoa. Maro ny taitra momba ity fanafihana iray ity noho ny hamaroan’ireo mpanafika. Na ny mpitandro ny filaminana aza dia samy nivory manokana ary nifampizara ny vaovao sy ny paik’ady tokony hoentina handresena ireto dahalon’andrenivohitra ireto. Na tanàna iray aza mantsy, raha izao no mitohy, mety ho vitan’izy ireo ny manafika azy. Dikany, mila mihetsika avy hatrany ny avy ao amin’ny mpitandro ny filaminana na ao anaty orana aza. Efa fantatra mantsy izao ny fomba fiasan’ireto telopolo lahy ireo : manafika anaty ora-mikija…
D.R