- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Ny mpiambin-trano no nivadika ho mpandroba

Itaosy : Ny mpiambin-trano no nivadika ho mpandroba

Efa maty paika ny teti-dratsin’izy ireo, entina handrobana ilay trano nambenany, saingy soa ihany mbola teo ireo mpanao famotorana. Teny amin’iny faritra Avarabohitra Itaosy iny, ny olona natokisana hiambina ny trano ihany no niezaka nitady hevitra handrobana sy hangalarana ireo entana rehetra tao amin’ny trano nambenan’izy ireo. Mpivady izy ireo ary niaraka voasambotry ny zandary, ny faran’ny herinandro teo. Ny tena loza dia efa vita kajy, nanomboka hatrany amin’ny fomba hangalarana, ireo izay mety handray ny entana halatra (teny amin’iny faritra Vorondamba Ampefiloha iny hoy ny vaovao) eny fa hatramin’ny olona natao hibaby ny heloka aza, dia efa hitan’ireo ambodia mitafy hodi-janak’ondry ireto. Araka ny vaovao mantsy dia mamoaka ireo entana tsikelikely tao an-trano izy mivady. Ary nony farany dia miantso olona hafa izy ireo, hoe haka entana ao aminy, kanjo ity farany no lazain’izy ireo fa tratrany nangalatra, ataony mibaby ny asa ratsin’izy ireo. « Ambarany fa mpangalatra, entina hanakonana ny halatra nataon’izy ireo mialoha. Tsy vitan’ny voafandrika ilay olona antsoin’izy ireo haka ny entana fa mbola darohiny ihany koa (…) » hoy ny zandary. Rehefa nandeha anefa ny famotorana dia nipoitra teny ihany ny marina. Nosamborina avy hatrany izy mivady sy ireo olona efa vonona ny handray ireo entana avy nangalarin’izy ireo. Ilay naratra kosa efa nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici