Ny faran’ny herinandro teo, lehilahy iray no hita faty teo amin’ny toeram-pivoahan’ny sekoly ambaratonga fototra iray teo Fiofio, Mahajanga. Araka ny loharanom-baovao azo, dia mpandray anjara tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena ASIEF ity farany ary avy amin’ireo solontena eo anivon’ny Ministeran’ny varotra sy ny fampiroboroboana ny indostria avy aty Antananarivo. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny fahafatesany. Efa nentina natao fitsirihana avy hatrany moa ny razana ary efa nandray an-tanana ny raharaha ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo any an-toerana. Fa ankoatr’izay, trano iray nipetrahan’ireo mpiasam-panjakana mpikatroka amin’ity resaka Asief ity no norobain’ny jiolahy ny herinandro teo. Reraky ny fanatanjahantena ny tontolo andro ary mba haka aina tsara ny alina, kinanjo mbola norobain’ny jiolahy indray ny trano nipetrahana. Tao amin’ny sekoly iray ao Ampisikina no niseho ny vakitrano izay lasibatra ny sasany tamin’ireo mpamonjy ny lalao ara-panatanjahantena hifaninanan’ny minisitera maro hatramin’ny omaly. Feno mpiasam-panjakana arak’izany ny tanàn’ny Mahajanga ary eo koa no nanararaotra ny mpanao ratsy. Tamin’ity tranga tetsy Ampisikina ity dia tapitra nanjavona avokoa ny finday izay an’ny mpiray efitra niara-natory. Tsy voalohany no nisian’ny vaky trano nandritry ny Asief toy izao ary tao Mahajanga hatrany izany. Efa mba mailo ihany ny olona fa dia tena tsy re tsaika ny mpangalatra, mety mampiasa fonoka raha ny tombana. Vao nitranga ny vakitrano dia lasa mandry tsy lavoloha ny delegasiona ary nisy ny nanapa-kevitra ny nanao fiambenana mifandimby amin’ny alina. Tao koa no nisy lasa nanamafy ny hidin-trano ary niala vola am-paosy mba nividianana izany, eny fa na dia mandalo fotsiny aza. Ny manodidina sekoly nipetrahana dia nisy mpitandro ny filaminana nihaodihaody hatrany. Saingy vao dify kely ireo amin’ny alim-be dia efa miditra indray ny…voalavo.
m.L