Tambajotran’ny mpangala-jaza iray, mpaka an-keriny ireny zaza varira ireny, no ravan’ny polisy tao Mananjary tao. Miisa valo izy ireo, izay efa samy nadoboka am-ponja avokoa, ny talata teo taorian’ny fanolorana azy ireo teo anivon’ny Fampanoavana.
Niainga tamin’ny tranga fakàna an-keriny zaza manana toe-tena varira iray tao Soafiadanana Marofinaritra, kaominina Mananjary, ny fanadihadiana rehetra, nahafahana nandrava ity tambajotr’olon-dratsy ity. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, ny 06 aogositra lasa teo, dia zaza iray no tsy hita. Nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, na nahafahana nisambotra olona roa, izay fantatra fa isan’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fangalaràna io zaza io. Naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo ny 11 aogositra lasa teo. Nandritra izany anefa, nitohy ihany ny fikarohana ireo nahavanon-doza ka nisy olona enina hafa indray fantatra fa isan’ireo tompon’antoka tamin’izany, nopaingorin’ny pôlisy sy natao sarika am-pandriana tao Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary hatrany, ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’izay ihany koa no nahafantarana fa avotra soa aman-tsara tsy misy ahiana ilay zaza nangalarin’izy ireo.
Nentina nanaovana famotorana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy moa ireto olona enina ireto, izay marihina fa vehivavy ny iray, ary notanana natao andrimaso. Io natolotra ny Fampanoavana io taorian’izay ary izao naiditra am-ponja, nanampy ireo olona roa efa any.
Manao ny ezaka rehetra tokoa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana entina mamongotra tanteraka ity karazam-« bizina varira» ity, kanefa hatreto dia tsy mety fongana tanteraka izany. Mbola mananontanona ireo olona manana toe-batana varira hatrany ny loza, indrindra fa any ambanivohitra any. Hatreto tokoa mantsy dia mbola tsy fantatra mazava izay tena ao ambadik’ity tranga mamoehatra ity. Ny voalaza ombieny ombieny dia toa hoe misy sahy mividy lafo dia lafo izy ireny …
m.L