Nitondra vahaolana vonjimaika tamin’ny fizarana rano isam-pokontany ireo tompon’andraikitra tandrify manoloana ny olan’ny rano tapatapaka lava isan-taona. Anisan’ny olana mikiky ny mponina ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny rano tapatapaka lava isan-taona, izay tsy manam-pahavitana. Noho io tranga io dia nitondra vahaolana vonjimaika tamin’ny alalan’ny fizarana rano isam-pokontany amin’ny fiara vaventy mitondra siny lehibe mahazaka rano 10.000 litatra indray mitondra, ireo tompon’andraikitra tandrify aty an-toerana, mandra-pahitana ny tena vahaolana maharitra. Ny fokontan’Antanambao no nisitraka voalohany ny fizarana rano ny marainan’ny asabotsy lasa teo iny, ary hitohy amin’ireo fokontany ato amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra izany.
Ratantely