- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Tovovavy 21 taona iray sahy namono an-janany tao anaty...

Soanierana Ivongo : Tovovavy 21 taona iray sahy namono an-janany tao anaty trano fivoahana

Tena misy olona sahy mamono zanaka anaty trano fivoahana, amin’izay indray mbola amin’ny fomba feno habibiana. Araka ny fanazavan’ny fikonolona nahita ny zava-nitranga sy niatrika izay mihitsy, dia raha notadiavina ilay zaza menavava nolazain’ny reniny fa nanjavona tampoka tao an-trano raha nampatoriny teo ambony fandriana raha nandeha hamonjy trano fivoahana ny tenany. Ankizy dimy mijery fahitalavitra tao an-trano no nijery sy nasainy miambina azy nandritra izany. Nitangorona tampoka ny olona manodidina raha naheno ilay zaza very samy irery tao an-trano ka niezaka nikaroka sy nitady azy teo amin’ny manodidina sao nisy nibata. Raha nitatra anefa ny fikarohana izay naharitra adiny, roa nanomboka tamin’ny folo ora maraina hatramin’ny 12 ora tany ho any, nitatra raha efa lany hevitra izy ireo ka nitsirika ny tao anaty trano fivoahana izay vao avy nandehany talohan’izao. Hagagana ny an’ireo fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana tonga ihany koa, fa tao no nahitana ilay zaza menavava efa maty nalevina ary mifatotra ihany koa ny tendany.

Avy hatrany dia nosamborina ilay reniny satria heverina fa izy ihany no namomo ny zazany ka nataony hoe nanjavona tampoka. Rehefa nantao fakana am-bavany teo anivon’ny zandary dia nibaradaka ihany ilay reniny, izay antsoina hoe Kalozafy Leaticia, 21 taona, dia izy ihany no namono an-janany, saingy ny fiarovan-tenany dia mbola tsy te hanan-janaka izy nefa manelongelina azy ny fisian’i Melance kely, ka izao novonoiny izao ny farany. Ilay rain’ilay zaza koa tsy manampy ara-bola azy ao anatin’izany, araka ny filazany.

Tena mahasahy zavatra atao ity tovovavy ity nahavita namono an-janany, amin’izay indray mbola ao anaty trano fivoahana. Handalo fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo Atsinanana, izay misahana ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Raha ny fahafantarana ny tranga tahaka izao dia miandry fitsarana am-ponja avy hatrany ny tenany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici