- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Nanjavona tao am-pasana ny razana 18 isa

Ankazobe : Nanjavona tao am-pasana ny razana 18 isa

Nikorontana ambony ambany ny fasana. Nanjavona ny razana maro izay rehefa nohamarinin’ny tompom-pasana dia niisa 18 izany. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Voninahitry ny Tany, ao amin’ny distrikan’Ankazobe no nisy ity vaky fasana ity. Mpandroaka omby vao maraina no nahita voalohany ny fasana izay midanadana ary nampandre ny tompon’andraikitry ny tanàna.

Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana namaly izay antony ilaina ireny taolam-balo ireny. Na ireo mpangalatra aza dia tsy mahita havaly rehefa any anaty fakàna am-bavany any. Kanefa dia miroborobo tanteraka ny fangalàrana izany ary efa hatramin’ny ela. Raha tsy fantatra anefa ny fototr’izany dia ho sarotra ny hamongorona azy. Asa, hiandry ny FBI koa ve vao mba ho fantatra ny marina?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici