- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Renim-pianakaviana hita faty, novonoina sy naolana

Tsiafahy : Renim-pianakaviana hita faty, novonoina sy naolana

Tranga mampihoron-koditra no nitsenan’ny marain’ny mponina teny amin’iny kaominina Tsiafahy iny, omaly maraina. Vehivavy iray, renim-pianakaviana no hita faty teo amoron-dalana teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambomiadana Nord, kaominina Tsiafahy, omaly tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Olona sendra nandalo tamin’izany lalana izany no nahita ity vehivavy nihoson-drà efa tsy nisy aina intsony ary niantso avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana. Tamin’ny fitsirihana ny razana, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatofotsy, no nahafantarana fa novonoina ho faty ity renim-pianakaviana ity, ary tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Tsy vitan’izay anefa, fa talohan’izay dia niharan’ny herisetra ara-nofo avy tamin’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ihany koa ny tenany.

Marihana fa mponina eny amin’iny faritra iny ity vehivavy ity. Eny amin’ny manodidina an’Avarabohitra eny izy no monina, raha ny fanazavana azo. Efa nanomboka ny sabotsy no tsy hita izy, ary efa naharaisan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana fitairanana avy amin’ny fianakaviana. Indrisy fa roa andro aty aoriana, efa vatana mangatsiaka mihoson-drà sisa no hita. Nandeha moa ny feo sy ny  ahiahy teny an-toerana, fa toa hoe «olona migadra manao asa ivelan’ny fonja» no hita farany niaraka taminy ary ahiana ho nahavita izao heloka bevava izao. Nanazava anefa ireo mpanao famotorana fa « tsy afaka ny hanamarina izay. Mbola mijanona ho ahiahy sy feo miely ihany aloha izany mandra-pahita izay marina sy ny famotorana mahakasika ity vono olona ity ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici