Tokony tamin’ny 8ora alina tany ho any tao Salazamay avaratra P/elle 14/21 dia nitrangana famaizana ny garazy iray. May tamin’izany ny kamiao, sy fiara niaraka tamin’ny kodiara maromaro, ary motera eo an-dalam-panamboarana tao anatiny. Raha ny filazan’ny niaram-boina dia niady tamin’ny sakaizany noho ny sakaizany roa samy hafa samy tonga hamangy ilay mpiambina ilay trano nisy ilay garazy nirehitra. Vao nifankahita izy roa vavy mpirafy dia raikitra ny ady teo amin’izy ireo, raikitra ny ompa samy hafa sy ny ankisitona volo ary ny totohondry. Tao anatin’izay tsy fantatra ny zava-nitranga fa nirehitra tampoka ilay garazy nitrangan’ny sakoroka tamin’ireto mpirafy vao nikoropaka izy ireo. Noheverina fa nisy solika koa tao, ary fitaovana mora mirehitra avokoa ihany koa ny tao anatiny. Niantso mpamonjy voina avy hatrany ny tao an-trano, ka avotra soa aman-tsara ilay garazy na efa may kila avokoa ny tao anatiny ary tsy nihitatra tamin’ny trano tao akaiky koa ny afo nandritra izany. Avy hatrany dia nosamborina ilay tovolahy mpiambina ny trano sy ny sakaizany teo, fa ilay faharoa kosa afaka nitsoaka tao anatin’ny firehetana. Nentina avy hatrany teny amin’ny mpitandro ny filaminana hanaovana fanadiadiana antony nitrangan’ny loza, ilay vehivavy faharoa antony nahatonga ny loza koa mbola karohina. Mandeha ny fikarohana ny marina mikasika ny raharaha, ilay tompon-trano ihany koa nametraka fitoriana mikasika ny mpiambina azy izay anton’ny firehetana nitranga nahamay tanteraka ny garazy. Ho hita eo ny tohiny.
Malala Didier