Ny angom-baovao voaray avy any an-toerana hatrany no nahalalana fa niara-namonjy lanonana famadihan-drazana, tany amin’ny tanàna atao hoe Marofototra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Maria, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny mpivady roa. Tamin’izay indrindra no saro-piaro Rtoa vadin-dralehilahy, raha nahatazana an’io vadiny io niresaka tamin’ny vehivavy hafa. Raikitra ny romoromo na ny fifamaliana teo amin’ireo mpivady roa, taorian’ny famonjena lanonana tany amin’ny tanàna voalaza etsy ambony nandritra ny fandehanana an-tongotra namonjy fiodiana any Ampanokely, kaominina ambanivohitra Behazomaty, disitrikan’i Kandreho, faritra Betsiboka ny faramparan’ny herinandro lasa teo iny. Nony tonga tany amin’ny trano fonenana izy mivady dia nanamafy tamin’ny fifanazavana ny lehilahy nanao hoe: tsy miaraka amiko izany iny vehivavy iny, fa olona fantako, izay no antony nifampiresahinay teo. Nilamina tsara ny resaka nataon’izy roa, taorian’ny fifampihainoana. Nandeha nividy savony kosa ny lehilahy, saingy tonga dia nalain-dRamatoa ny basin’ny rafozan-dahiny efa tsara fitoerana ka nitifi-tena avy hatrany izy.Namela kamboty iray vao sivy volana izy io. Notanana nataon’ny mpitandro ny filaminana andrimaso taorian’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo,nanokafana fanadihadiana lalina, ny tompon’ny basy. Ny razana kosa dia nalain’ny fianakaviany nentina taty Antaninandro, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ary efa nalevina ny alatsinainy afak’omaly teo.
Ratantely