Ady anaty akata tanteraka. Andaniny, ny polisy izay nampian’ny zandary sy ny miaramila. Ny ankilany kosa, andian-dahalo izay niaraka tamin’ny omby 40 isa nangalarin’izy ireo. Tsy nifampitsitsy ny roa tonta ary nanakoako ny feom-basy tao Manombobe, kaominina Andohanilakaka ny alatsinainy teo. Dahalo iray no lavo raha vaky nandositra kosa ny namany. Nisy naratra voatifitra ny iray tamin’ireo fokonolona izay nanampy tamin’ny fanarahan-dia ny dahalo. Ireo omby rehetra kosa dia efa tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony.
D.R