- Publicité -
jeudi, août 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Zaza maty tao anaty pisicine

Foulpointe : Zaza maty tao anaty pisicine

Mpanao vakansy ity zaza maty an-drano ity. Ny alahady teo, raha nilalao rano tao anaty dobo filomanosana an’ny hotely nipetrahany niaraka tamin’ny ray aman-dreniny izy no nisy nahita efa tsy nihetsika intsony. Ny mpiasan’ny hotely no nahatsikaritra izany. Efa natsingevan’ny rano raha ny fanazavana azo. Noezahina navotana faran’izay haingana saingy efa tsy nisy aina intsony. Tamin’ny fotoana tsy naha-teo ny olon-dehibe no nilalao rano ilay zaza izay salama tsara. Azo sary an-tsaina ny fahorian’ireo olon-dehibe izay mba nitondra ny zaza niala sasatra kanjo fisarahana aman’aina no nitranga. Raha any amin’ny hotely lehibe any ivelany dia tsy maintsy misy olona manokana manara-maso ny dono filomanosana, ary koa misy dobo kely natokana ho an’ny zaza araka ny halavan’ny vatany. Etsy ankilany koa anefa, sarotra ny mametraka ny zaza irery amin’ny toerana toa ireny, eny fa na dia mahay milomana aza izy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici