Nirefodrefotra ny basy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Nifanjevo tao anatin’ny maizina ny andian-jiolahy mahery vaika sy ireo zandary avy eo anivon’ny zana-tobim-paritra Anosizato. Vokany, efatra tamin’ireo olon-dratsy no nahazo saran-dalana maimaimpoana indray ho any amin’ny varo-tsy mifody. Araka ny fampahafantarana nataon’ireo tompon’andraikitra omaly, dia andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana teny an-toerana izy ireo. Noho ny fampandrenesana mialoha nataon’ireo fokonolona anefa dia voasoroka mialoha izany, hoy ireo tompon’andraikitra. Tamin’io alina io tokoa mantsy, vantany vao naharay antso mahakasika ny fisiana olona nampiahiahy ireo zandary dia nanetsika avy hatrany ireo mpanao fisafoana. Nifanena tamin’ireto andian’olona voalaza ireo tokoa izy ireo ary nikasa ny hanao fisavàna kanjo tsy nisalasala nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny aminy ireo olona ary rafitra nandositra. Raikitra ny fifampitifirana sy ny fifanenjehana, erak’iny elakelan-trano rehetra teny an-toerana iny. Naharitra fotoana maromaro ihany izany hoy ireo mponina teny an-toerana raiki-tahotra naheno ny poa-basy tsy an-kijanona. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano. Araka ny nambaran’‘ireo tompon’andraikitra ny filaminana dia manodidina ny valolahy na mihoatra tany izy ireto olon-dratsy ireto, efatra tamin’izy ireo moa lavo, raha ny voalaza, raha tafaporitsaka kosa ny ambiny. Azo teny am-pelan-tanan’ireto farany moa ny fitaovam-piadiana nampiasan’izy ireo : basy poleta vita gasy miisa roa, niaraka tamin’ny zava-maranitra sy fitaovana hafa fentin’izy ireo manao fanafihana. Marihana hoy hatrany ny fanazavana azo fa tsy mponina eny an-toerana ireto jiolahy lavo ireto ary tsy fantatra na avy aiza na avy aiza. Mbola mitohy ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafaporitsaka, raha nalefa eny amin’ny trano-paty ny vatana managatsiakan’ireto olon-dratsy taorian’ny fitsirahana nataon’ny mpitsabo.
m.L



