
Maro ny olona no nitaraina noho ny halatra mianjady amin’ireo fananana iombonana toy ny jiro eny an-dalambe sy ny taribin-jiro toy ity nitranga teny Tsiadana, ao amin’ny boriborintany faharoa ity. Lehilahy iray tratra am-bodiomby teo am-pangalarana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ny alarobia 27 Aogositra 2025, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, no nahatsikaritra ity lehilahy ity ny fokonolona teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo, ary tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka nisambotra ilay lehilahy. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Ambohijatovo izy mba hatao famotorana Ny halatra fananam-bahoaka dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona rehetra. Manimba ny fotodrafitrasa izany ary mety hiteraka loza ihany koa. Natao hiaro sy hikajy ireo fananam-bahoaka ireo ny Polisy. Hatolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy rehefa vita ny famotorana.
T.M.