- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Ravan’ny pôlisy ny tambajotra mpangalatra môtô

Toamasina : Ravan’ny pôlisy ny tambajotra mpangalatra môtô

Nirefodrefotra ny basy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao, ny alarobia lasa teo. Ravan’ny mpitandro filaminana tao an-toerana ny tambajotra mpangalatra môtô. Olona telo no voasambotra tao anatin’izany hetsika izany, raha tafaporitsaka kosa ny roa hafa, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tato anatin’ny fotoana, nampiroborobo betsaka ireny môtô sy scooter ireny, dia isan’ny zavatra iray mampikaikaika ny mponina tsy teto an-drenivohitra ihany, ity halatra môtô ity. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia fantatra fa sendran’ny tsy nampoizina ireo jiolahy. Raha ny fanazavana azo mantsy, nisy môtô very tao amin’ny faritra Ankirihiry tao. Ny nahazendana anefa dia havan’ilay olona very entana ihany no nivarotan’ireo olon-dratsy ity entana halatra. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana, ka napetraka avokoa ny vela-pandrika rehetra hanatrarana ireo mpivarotra halatra. Raikitra ny fotoana nifanomezana handoavana ny vola sy hanomezana ilay entana. Noraisim-potsiny tamin’izany ny roalahy tonga tamin’io fotoana io. Ireto farany ireto indray no nanoro ny garazy iray tao an-toerana, fanovana ny loko sy ny mombamomba an’ireo fitaovana halatra ireo. Vao nahita ireto namany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana anefa ireo mpiasa tao amin’io garazy io, avy hatrany dia nanao tari-dositra, nitsoaka. Nirefotra ny basy. Nanaiky ny hibaboka avy hatrany ny lehilahy iray, raha nanohy ny fitsoahany kosa ny roalahy. Mitohy ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Inoana izany fa, atsy ho atsy, mety ho ringana hatramin’ny fotony ireo tambajotra mpangalatra môtô ireo, izay mety sy azo eritreretina fa manana ny rantsa-mangaikany aty an-drenivohitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser