- Publicité -
samedi, décembre 27, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Lehilahy niboraka tsinay, notsindronim-badiny antsy

Andavamamba : Lehilahy niboraka tsinay, notsindronim-badiny antsy

Noho ny hatsarotampiaro diso tafahoatra, tovolahy iray 23 taona no naratra mafy niboraka tsinay notsindronim-badiny antsy, omaly antoandro, tetsy Andavamamba. Tsy nijanona ho fifamaliana am-bava intsony ny resak’ireto mpivady tanora, vao vita mariazy tapa-bolana ireto, fa niafara tamin’ny fikasihan-tànana. Teo am-piresahana an-telefaonina (niresaka amin’ny sipany hono !) ity tovolahy ity no noleram-badiny antsy. Teo amin’ny ilan-kibony havia, no niditra ilay zava-maranitra, ka nijininika ny rà, hoy ireo nanatri-maso. Raha ny vaovao voaray, dia matetika miady tsy mifanara-tsaina foana ireto mpivady tanora noterena hivady ireto. Rehefa bevohoka mbola nianatra ramatoa (tovovavy 17 taona) dia tsy maintsy natao ny raharaha.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser