Ankoatra ny renivohi-paritany enina dia isan’ireo misitraka ny « rentrée mifampitsinjo » ny tanan’Antsirabe. Ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana no misitraka ity fanampiana ity.
Hateloana no faharetan’ny hetsika “rentrée mifampitsinjo” izay nanomboka ny zoma 30 Aogositra teo ka nifarana omaly, tao amin’ny velodrome no nanatanterahana azy.
Nanampy betsaka amin’ny famahana ny olana atrehan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny fanampiana tahaka izao satria tena mampikaikaika tokoa raha vidin’ny fitaovam-pianarana, indrindra raha mihoatra ny telo ankizy ao an-tokatrano hoy ny ray aman-dreny tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Tsy maimaim-poana akory anefa ny ireto fitavam-pianarana ireto fa aloha amin’ny antsasa-bidny.
Karinem-pokontany vaovao, marim-pamantarana fa amina « classe d’examen » tokoa ilay mpianatra ary taratasy manaporofo fa mpianatra amin’ny sekolim-panjakana « certificat de scolarité », ireo no takiana amin’ny ray aman-dreny hahafahany misitraka ny « rentrée mifampitsinjo ».
Noferana ho 150 000ariary isaky ny mpianatra ny saran’ny fitaovana azo vidiana. Tsipihana fa ny renivohi-paritany no tena misitraka izy tosika ity fa nahazo tombony kosa ny distrika Antsirabe voalohany nahazo izany.
Ireo manam-pahefana eto an-toerana notarihan’ny governoran’ny faritra, ny prefet an’Antsirabe, ny ben’ny tanana, vao maraina dia tazana teny an-toerana nametrapetraka ny lamina rehetra.
Andry N.




