- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahaiza Betafo : Mpitrandraka vatosoa voatafika, vehivavy iray voatifitra

Mahaiza Betafo : Mpitrandraka vatosoa voatafika, vehivavy iray voatifitra

Nitrangana fanafihana indray tany Mahaiza distrikan’i Betafo, in-droa misesy ny fanafihana, ka tokantranona mpandrahara  no lasibatra voalohany.

Mandry andriran’antsy hatrany ny mponina amin’ireo distrika manodidina an’i Betafo iny. Tsy tapaka ahenoana fanafihana mantsy ireo kaominina maro mandrafitra ity distrika ity. Voasokajy  ho faritra mena rahateo iny ilany andrefan’ny faritra Vakinankaratra iny amin’ny asan-dahalo. Fanafihana in-droa misesy no nitranga tao Mahaiza, ny faran’ny herinandro teo,  raha ny fampitam-baovao tany an-toerana. Tokantranona mpandraharaha iray mpanao vatosoa no lasibatra voalohany, ka vola an-tapitrisany maro no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Efa mandry daholo ny olona teo an-tanàna tamin’io fotoana io, nangina tanteraka ny tanàna hoy ny loharanom-baovao. Niditra an-keriny, nanao amboletra tao antranon’ity mpandraharaha ity ireo jiolahy mirongo basy sy fitaovam-piadiana,  avy hatrany dia vola  no notakiany. Ankevitry ny efa fantatr’ireto jiolahy ny fisian’ny vola tao amin’ity tokantrano ity. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy rehefa nahazo izay nilainy, ka alohan’ny nivoahany ny trano dia notifiriny ny vehivavy iray tao, ka naratra mafy. Fa ankoatra izay, omby telo ihany koa no nanjavona tao amin’ny fokontany Ankilahila, dahalo mirongo basy no voalaza fa nandroaka ireo omby ireo. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana, ka tao amina valan’olona  iray tao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato no nijanona ny dian’omby. Tsy nisy adihevitra fa nosavana tao amin’ity vala ity, ka tratra tao ny omby roa. Tsy mbola tratra kosa ny tompon’ny vala, naverina tany amin’ny tompony ny omby.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser