Nandritra ny fandalovanay tamin’ny herinandro lasa teo, tany an-toerana no nahalalana fa velom-panantenana ny mponina any amin’ny fokontany Bevilany, Antanambao sy ireo zana-bohitra, ary ny fokontany manodidna, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna noho ny hezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny, izay miantsehatra amin’ny fitandronana filaminana any anaty akata sy eo an-tanàna, indrindra ny fanarahana ireo fiara mitondra mpiantsena, isaky ny alarobia sy tsena Alakamisy miainga sy mivoaka avy eny amin’ny sapanan-dalana mitsofoka ao Bevilany, ary Antanambao. Raha hiverenana hotantarana tokoa ny zava-nitranga nandritra ny taona 2022 nakany dia anisan’ny nampitondran’ireo malaso faisana ny tanànan’i Bevilany, Antanambao, Morafeno, Atongobe, Ambalafety. Satria nitsoaka an-tanàna nifindra toeram-ponenana ny olona, fa faon’ireo tsy mataho-tody indray pi-maso ny omby ao am-bala sy ny fananana kely eo am-pelatanana. Ny kidnapping ihany koa efa tsy hay resahina intsony ny lazany, tamin’izany andro izany. Rehefa nahazo toerana sy fanendrena niasa tany an-toerana ny lehiben’ny Zandary ao Bevilany amin’izao dia nilamina sy natory an-tokontany no teny an-tsaha ny mponina an-kehitriny. Eny aza na dia ny solombavam-bahoakan’Ambatoboeny sy ny mpiasa ao amin’ny onjam-peo iray tsy miankina ao Ambatoboeny dia velom-pisaorana tanteraka amin’ny hezaka hataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ny lehiben’ny Zandary ao amin’ny poste fixe Bevilany, satria misy hakon’ny amin’ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny disitrika voalaza etsy aloha ny asa tsy mandro andro sy alina, nataon’izy ireo.
Ratantely