- Publicité -
mardi, septembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers20.000ar sandoka : Miparitaka eny amin’ny épicerie indray

20.000ar sandoka : Miparitaka eny amin’ny épicerie indray

Vola sandoka miparitaka.

Ny tranga voalohany teny Alakamisy Fenoarivo ary ny faharoa tany Andohanilakaka. Naparitaka tamin’ireny « cashpoint » sy « épicerie » ireny ireo vola. Fanadiovam-bola no tena tanjona satria ny hahazoana famerim-bola izay ravim-bola madio no tena tanjon’ny olon-dratsy. « Nisy ny fiparitahan’ny vola sandoka teny amin’ny faritry ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo iny tao anatin’ny herinandro izay. Nataon’ny zandary ny fanadihadiana ka lehilahy iray 31 taona no voasambotra ho tomponandraikitra tamin’ny fanaparitahana ireo vola sandoka 20 000 ariary izay nitotaly 140.000 ariary izay nampiasainy tamin’ny « cashpoint » sy « epicerie ». Mbola nisy ihany koa ireo vola sandoka roa alina ariary miisa 422 sarona tany an-tranony, mitentina 8.440.000 Ariary » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tany Andohanilakaka indray, mitovy ihany ny fitrangany dia ny fividianana entana amin’ny « épicerie » izany. Saingy nalaky mailo ny mpivarotra ary nampandre tsimoramora ny polisy ao Ranohira. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voasambotra ny olona roa izay mbola nahatratrarana ireo vola sandoka 20.000 ariary maromaro. Ireo tranga roa ireo dia manamarina fa miverina miparitaka indray ny vola sandoka. Ny tsy fisian’ny sarin’omby eo aminy no tena amantarana haingana izany. Ny ravim-bola kosa anefa dia tena mitovy ary raha tsy mahadinika ny olona mandray izany dia voafitaka tanteraka. Manimba haingana ny toe-karena izy ireny raha tsy rava haingana ny tambajotra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici