Fantatra amin’ny anarana hoe François, ity lehilahy voatifitry ny zandary ity. Izy izay, voalaza fa efa ikoizana tanteraka amin’ny resaka halatra, halabotry, fanendahana ary fisolokiana isan-karazany eo an-tanana. Ny andron’ny alahady teo, nihazo ny varo-tsy mifody ny lehilahy, raha nikasa hitsoaka ireo mpisambotra azy, tao Analavory.
Ny sabotsy lasa teo ity farany no voasambotra tao Beteheza, kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, rehefa nisy ny fitairanana tonga teny anivon’ny zandary nahakasika ny halatra izay nahavoarohirohy azy. Raha ny voalaza mantsy dia finday avo lenta no very tamin’io fotoana io ary hitan’ny tompony ni- « charge » teo amin’Ing. François. Ity olona ity, izay malaza ratsy any an-toerana ary karazan’irony olona tsy manana toeram-ponenana raikitra irony fa « mirenireny sy mitsotsoaka ary miafinafina lava » hoy ny zandary. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka tratra tao amin’ity farany tokoa ilay finday. Tsy vitan’ny finday ihany anefa, fa fantatra ihany koa fa saika ireo fitaovana rehetra tao aminy dia saika halatra avokoa. Mbola nahitàna karazana fanalahidy maromaro isan-karazany ihany koa tany aminy niaraka tamin’ny fonosan-drongony. Tsy azo hiadin-kevitra araka izany ny naha-olon-dratsy an-dranamana ka dia nosamborina. Ny ampitson’io, nanambara ity voasambotra ity fa tsy miasa irery fa manana ekipa. Nanaiky ny hanoro ireo olona mpiray tsikombakomba taminy ireto izy ary nitondra ireo zandary hisambotra izany namany izany. Kanjo teny an-dalana, nanararaotra ny kirihitr’ala ranamana ary niezaka nitsoaka ireo zandary. Raikitra ny fanenjehana ary voatery niafara tamin’ny fampiasàna basy izany nentina nampijanonana azy. « Voatifitra [izy] ary nandriaka ny rà. Namoy ny ainy ity olon-dratsy na dia natao ny fomba rehetra hanavotana ny ainy » hoy ny vaovaon’ny zandary. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona voalaza ho mpiray tsikombakomba aminy moa ny zandary amin’izao, raha ny voalaza. Afaka hiaina am-pilaminana indray aloha hatreto ireo mponin’Analavory fa nihena iray ireo mpanao ratsy any an-toerana.
m.L


