Tuctuc, « môtô routier », « scooter », ary taxibe sprinter iray … Ireo no niara notrongisin’ity fiarabe iray, izay voalazan’ireo mpitandro filaminana fa nanana olana ara-teknika ka tsy tafajanona intsony. Ankoatry ny fahasimban-javatra dia aina iray no nafoy ary maromaro ireo naratra. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK17+700, toerana antsoina hoe Namontana, fokontany Tsaramandroso, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Kamiao lehibe iray, izay efa somary nahazo taona ihany no fositra, nahatonga ny loza tamin’izay fotoana izay. Araka ny fampitam-baovao azo, nilazaon’ny hisatra teny am-pandehana ity fiarabe ity ka tsy voatan’ny mpamily azy intsony na dia niezaka nanajanona ny fiara aza ity farany. Vokany, fiara sy môtô maromaro no nataon’izany fiarabe izany kaly nampijanona ny tenany. Voatery tao anelanelan’ilay fiarabe sy fiara « sprinter » teo alohany ireto fitaovam-pitanterana ireto, niaraka tamin’ireo olona nentin’izany fitaovana izany sy nitondra azy. « Tafapitika ilay tuctuc, voakasoka ilay « routier » ary potsitra tao am-povoany ilay « scooter » ». Ny mpitondra ity farany no tena naratra mafy ary indrisy, hoy ny vaovao fa tsy tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana kosa dia namoy ny ainy. Samy naratra daholo kosa tetsy andanin’izay ireo olona tao anatin’ireo voadona, raha tsy naninona ny tao anatin’ilay fiarabe. Tonga nijery ifotony ny zava-nisy sy nanampy tamin’ny famonjena ireo niharam-boina moa ny zandary teny an-toerana. Nentina nihazo ny birao ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy kosa ilay mpamilin’ny fiara namoa-doza.
m.L