Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fiolahana Talata’Ampano eo amin’ny 27 km atsimon’i Fianarantsoa, omaly tamin’ny 5 ora sy sasany. Camion iray mpitondra entana ho any atsimo no nifanena tamin’ny mini-bus. Voasoroka ny loza saingy latsaka tany anaty tatatra ilay fiarabe ary dia nihitsoka tao. Araka ny filazan’ny mpamily, nandeha faran’izay mora izy fa raha tsy izany dia lasa tany anaty hantsana. Nanomboka teo, nitohana tanteraka ny fifamoivoizana. Nitsivalana nameno ny arabe mantsy ilay camion ary tsy nisy hirika azo aleha mihitsy. Efa misy ny fepetra noraisina hamindrana ny entana milanja hatrany amin’ny 30 taonina. Fiara mahazaka 10 taona no hampiasaina amin’izany. Tamin’ny 6 ora sy fahefany, voalazan’ny vaovao fa mahatratra hatrany amin’ny zato any ho any ny fiara tsy afaka mandeha avy amin’ny andaniny roa, hiakatra sy hianatsimo. Ny orana avy tsy mijanona etsy andanin’izany.
nangonin’i paubert