- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversImerimandroso-Ivato : Vehivavy maty main’ny herinaratra

Imerimandroso-Ivato : Vehivavy maty main’ny herinaratra

Tamin’ny enina ora sy sasany maraina dia nisy vehivavy 25 taona matin’ny herinaratra. Fil mpitondra herinaratra “haute tension” izay tapaka ka nilatsaka tamin’ny tany no nisaringotra tamin’ny tongony ka nitarika ny loza. Maty tsy tsa-drano teo ilay vehivavy raha araka ny filazan’ny manodidina. Isan’ny mbola nateraky ny rivotra ihany koa ny fihotsahan’ny andrin-jiro sy ny “fil” toy izao. Mila mampilaza ny mpamonjy voina avy hatrany ny manodidina rehefa misy ny toy izao. Na izany trano ahiana hihotsaka na koa fil milatsaka amin’ny tany dia mila olona efa niofana ny mandray fepetra momba izany. Ankoatra izay, efa anatin’ny “alerte rouge” Antananarivo nanomboka omaly. Dikan’izany, tsy dia tsara loatra ny mivoaboaka ny trano sy manatona izay mety ho toe-javatra atahorana. Na ny ao an-trano aza dia ilaina hatrany ny mailo ka mijery izay mety ho loharanon’ny herinaratra na koa tsy mampiasa mihitsy, ankoatry ny radio, mba hahalalàna vaovao. Tsy maintsy hiakatra bebe kokoa ny rano ary hihotsaka ny tany koa mila mailomailo ary miala amin’ny toerana iva sy tsy azo antoka ny tsirairay…
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser