Efa nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary tsy lasa lavitar dia voasambotra. Norohizana taty niakatra ny tanana, ary raha tsy tonga haingana ny zandary dia efa niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany tao Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny zoma lasa teo. Mpivarotra iray tao an-toerana no lasibatra ary lehilahy roa nitondra basy sy zava-maranitra no niditra an-keriny tao tamin’izay fotoana izay, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Efa teo am-pikasàna hanidy tsena mihitsy izany mpivarotra izany hoy ny vaovao no tonga izy ireo. Nambanana tamin’ilay basy hafahafa sy antsy lava avy hatrany ny tompon-tsena ary nitaky ny vola maty nandritry ny andro ry zalahy. Vola manodidina ny efatra hetsy ariary teo ho eo no lasan’izy ireo niaraka tain’ny finday miisa roa. Mbola nangataka sigara roa « paquets » ihany koa anefa tetsy andanin’izay.
Nisy nahatsikaritra anefa ny zava-niseho ary nampandre avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary ity farany. Vetivety dia vory ny fokonolona ary nandrasana fotsiny ny fivoahanan’izy ireo ilay tsena. Raikitra ny fifanenjehana, hatrany an-tanimbary rehetra iny. Voasambotra ihany nony farany ary nentina niakatra tanana. Tonga ihany koa ny zandary tetsy an-kilan’izay ary nisava azy ireo. Tamin’izay no nahitàna fa basy tsy tena izy akory ity nentin’izy ireo nampihorohoroana sy nanafihana ilay mpivarotra. Ary ny tena somary nahatsikaiky dia toy ireny basy kilalaon’ankizy ireny ilay izy. Tapa-kitay miendrika basy miisa nafatatotra tamin’ny tadina kiraro !
Nentina niala haingana teo amin’ireo fokonolona efa tezitra moa izy roalahy ireto, ary nentina namonjy ny biraon’ny zandary tao an-toerana, ho amin’ny famotorana azy ireo. Efa naverina tamin’ny tompony avokoa kosa ireo vola sy entana nalain’ireto mpanafika ireto.
m.L